Tsy afaka hitompon-teny farany ho terak'i RAMAINANADRO na terak'i FARATSIHO irery isika fa marobe any ambadika any, manerana izao tontolo izao.Noho ny fivelaran'ny internet dia hampiasaintsika izany hifandraisan'ny tsirairay avy na aiza misy azy na aiza.Sokafana ity BLOG ity mba hafahana mifanakalo, tsy soratra irery ihany fa na sary na vidéos.Hampiasaintsika ny teny rehetra toa ny firesahana an-davanandro ihany.Hiangaviana mba tsy hiresaka POLITIKA isika fa misy toerana hafa azo hanaovana izany.Fifanajana no mamaritra ny resaka hifanaovana eto.Ny tanjona dia ny hanasoa ny Tanindrazantsika ary tsara raha miainga amin'ny any amintsika aloha (Ramainandro/Faratsiho)Efa niatomboka tao amin'ny " forum moov.mg" ny fifandraisantsika, nefa nohon'ny naha SDF (sans domicile fixe) antsika dia nofafana daholo ny forum tao. Noho izany, sokafana ity BLOG ity mba hanana tokatrano isika fa tsy hampiantranon'olona intsony.misokatra ary ny resaka koa dia mahazotoa.
TARANAK ‘ I RAMAINANANDRO
(T E T I - A R A N A )
Ny niandohan-dRAINIBEHORAISINA sy RAZANAKA vadiny RAZANAKA mianadahy avy, renin-dRASENDRANORO
Razambe nihaviana voalohany dia RAMAROFOMPOASA tao AMBOHIBOLOLONA atsimon’Imerintsiatosika, antsinanan’Ambohitrantenaina. Izy niteraka an- dRAZAFIMBOHANGY.
Ireto no zanak’i RAZAFIMBOAHANGY
1 - RANDRIAMAMINDRAFONIARIVO (lahitokana – miaramila);
2 – RATSARATOKALO ( avaratra’Arivonimamo);
3 - RATSIMANOMPOHOVA tao Ambohibololona;
4- -RATSIAZOMPANIRY nanambady an-dRAINIBEHANTA;
5 – NENISOLO na RASOLO tsy niteraka.
Iray lamba ireo afa-tsy RATSIMANOMPOHOVA milevina any Ambohibololona sy RANDRIAMAMINDRAFOINIARIVO izay mikamban-damba amin-dRAMIANTOANDRO sy RAINIBEZA ary RANDRIAMIHAJA milevina ao RAMAINANDRO: farafara an-dany atsinanana ambony no misy azy.
Fanazavana: RATSARATOKALO tamin’ny andron’ny Manjakahova, nipetraka tany Ambohitrambo niteraka an’Ingahy ZAFIMINAHY izay nanambady an-dRABODOSAKALAVA zanak’i RATSIAVALONA (vavy) avy any Antanamalaza
Ingahy ZAFIMINAHY niteraka 9 mianadahy, dia ireto avy:
1 - RAZAFINIARY;
2 – RAINIMANITRA, na RATSIZEHENA;
3 - RAINIBEZAKAINA;
4 - RAZAFIMPANANA;
5 – RENIMASONDRANO, na RASOANARAHANA;
6 – RAINIBEHORAISINA, na ISANDRATANA;
zafiny: RAZAKINIARY izay niteraka an’i: ( *)
RAINTAVY-TRIMO,
RAZAFINIARY,
RAINIJESY,
RAINIZAITSIMANAHY,
7 – RAHAKO
8 – RAHAJA
9 - RAFARAVAVY-TAKOLAKA
( *) Fanitsiana vita an-tsoratra tamin’ny “BOKIN-dRAOBY”.
Ny atao oe “BOKIN-dRAOBY” dia ny kahie “Teti-arana’ nosoratan’i Jérôme ROBINSON tamin’ny Aogaositra 1957 tao Andranonanahary.
NOTA –
I . RAZAFINIARY nanambady an’i MISARIVO tany Ambohitrambo, dia nisaraka taminy ary nanambady an-dRAINIANTOANDRO na INGAHIAKONDRO ary niteraka fito mianadahy, dia ireto :
1 – RATOMPOHAJAINA izay niteraka an-dRAMIADANA sy RAZAFIMAHEFA mianadahy avy;
2 – RAINIKOTOARIVO nanambady an-dRAMANANA, ka niteraka an-dRANDRIAMANOVONA mianadahy avy;
3 – RASOARY;
4 – RAINIZAFIKOTOMANGA;
5 – RAMANANKASETRA;
6 – RAINITIMBATSIMANDRESY;
7 – RABEVAZAHA;
Narian-dRAINIANTOANDRO rainy izy fito mianadahy ireo, ary nanangana ara-dalana an-dRAMANANKISANA, RENINGORIHOVA ary RAJARISON izy.
II . RAINIMANITRA na RATSIZEHENA nanmbady an-dRENIMANITRA izay niteraka 12 mianadahy, dia:
1 – RAZAKANERA tsy niteraka;
2 – RAMAHALIARIVO niteraka an-dRAMAHALISONA mianadahy avy;
3 – RAMANITRA niteraka an-dRAZEFANIA MANITRERA mianadahy avy;
4 – RASOANARIVO (sage-femme) tsy niteraka;
5 – RASOAFANIRY, niteraka an-dRAJONAH;
6 – RASOAMANERA tsy niteraka;
7 – RATOMPONIARY,niteraka an-dRAKOTONARY sy RAMANANJANAHARY mianadahy avy;
8 – RAHELY vadin-dRANDRIANANGALY niteraka an’i FRANCOIS mianadahy avy;
9 – RALAIVAO, niteraka an’i Rev. ELIE-JEAN, ny Eveka Jean MARCEL mianadahy avy;
10 – ROBELINA tsy niteraka;
11 - RANDIANINA, nanambady an’i Rev. RAINIBARY, niterka ani Jean Baptiste BISO mianadahy avy
12 – RAZAFINIMANANA.
RAINIMANITRA, vadin-dRENIMANITRA izay iraitampoho amin-dRAININGORIHOVA, RAINISOANANGANORAVAO, RAMIARANA, RATSIDISO, RAMIADANA, ary RAINIJAONARY izay samy zanak’i RAFARALAHIMANGA sy RASOANINDRANA.
III . RAINIBEZAKAINA nanambady an-dRASOAVINONY na RAFARA anabavin-dRAIMASONDRANO tsy niteraka
IV . RAZAFIMPANANA nanambady an’IZOKILAHY, rahalahin-dRAFARALAHIBELAHY, ary niteraka an-dRAINIZAFITSIMANAHY, RAINIJESY na RAFARALAHIBIBY manadahy avy ary RAZANAKINIARY.
V. RENIMASONDRANO na RASOANARAHANA, vadin-dRAINIMASONDRANO, niteraka:
1 – RAININDRIANANGALY;
2 – RANDRIANARANA, rain-dRANDRIANALISANDY;
3 – RAMBAHINORO, reni-dRAZAFINIMARO mianadahy avy;
4 – RAFARALAHIKODIA;
5 – RANDRIANANGALY niteraka an-dRAKETAMANGA mianadhy avy;
6 - RASOANAHINA;
7 – RABEZAKAINA;
8 – RAFARAMANANDRINA;
9 – RAMASONDRANO;
VI . RAINIBEHORAISINA nanambady an-dRAZANAKA niterka 5 mianadahy:
1 – RABEHORAISINA;
2 – RASENDRANORO
3 – RAMANANKISANA;
4 – RANGITA
5 – RAKOTOTO-JAFETRA
VII . RAHAKO vadin-dRAINITSARAIBE tao Mananety-Sud, niteraka an-d:
1 – RATSARAIBE, renin-dRAZAFINDRAMASY;
2 - RAMOHARA rain-dRABERINARY minadahy avy;
3 – RAMPANARIVO;
4 – RASOAMINAHY tsy niteraka;
5 – RAMIHANTA niteraka an-dRAKOTONDRASIKINA;
6 – RABESAHA;
7 – RAINIZANABARY (Rainibary), zanak’i RAHAKO sy RAMAFADRAHONA (Rainimasoandro)
VIII . RAHAJA, nanambady an-dRAINISOANANGANO?, niteraka an-dRABEFANIRAKA.
IX . RAFARAVAVY-TAKOLAKA nanambady an-dRAINIMASONDRATSITOHAINA, niteraka an-dRAMASINDRAIBE? Rai’i:
1 – RAFAHELY;
2 – RAZAFINDRAINIBE, nanambady an-dRAHASINERINA, niteraka an’ITOKISON mianadahy avy;
3 – RASOAMASY tsy niteraka.
FANAZAVANA FAHA-2:
. RATSIMANOMPOHOVA rahavavin-dRATSARATOKALO, zanak’i RAZAFIMBOAHANGY tao Ambohibololona niteraka an-dRAINITSITOHAINA izay lany taranaka hatreo amin-dRASALAMAHOVA zanany
. RATSIAZOMPANIRY, zana-dRAZAFIMBOAHANGY, nanambady an-dRAINIBEHANTA tao Miadampihaonina niteraka 3 telolahy dia:
1 – RABEHANTA na RAINIZANAKA;
2 – RAINANTOANDRO, na RAZAFIHAJAINA, na INGAHIAKONDRO;
3 – RANDRIAMIHAJA maty fahakeliny.
. 4 - NENISOLO na RASOLO tsy niteraka
Iray fonosana ireto manaraka ireto (mipetraka an-tsisiny indrindra laharana faha 2, farafara atsinana-ambony):
RANDRIAMAMINDRAFONIARIVO – RAINANTOANDRO –RAINIBEZA ary RANDRIAMIHAJA
Nota – II:
RABEHANTA na RAINIZANAKA, zana-dRAINIBEHANTA, NANAMBADY an-dRAZAFIKOVA, niteraka 6 enina mianadahy, dia:
1 – RAZANAKA niteraka 5 MIANADAHY:
a – RABEHORAISINA
b - RAKOTO-JAFETRA
d - RAMANANKISANA
e – RASENDRANORO (renin’i Rev. RABESANDRATANA)
f – RANGITA
2 – RAHANTA tsy niteraka.
3 – RENINGORIHOVA atao hoe RAVAOMIARANA, niteraka an-dRAZANABAHOAKA mianadahy avy;
a – RABARIJAOANA
b – RAJOSOA (rain-dRAZAFINDRASATA Jaondahy)
d – RAZANABAHOAKA
e – RAFARALAHY
f – RABEMANANJARA
g – RAZAFINANTOANDRO.
4 – RANDRIANADAORO tsy niteraka.
5 – RAJAONA niterka 12 roambinifolo dia:
a – RAOSERA
b – RAJOSEFA
d – RAJARISAONA
e – RAMARIA
f – RABEDASY
g – RASITERA
h – RAHASINERA
i – RAKOTOMALALA
j – RAZAFINDRIANA
k – RASOIASITERA / RAZAFIMPAHA
l – RAKOTONIABA
m – RAZANAMPAMONJY
6 – RAINIBEZA maty tsy niteraka.
FANAMPINY:
RAINIRAHONA avy any Antsahamamy (ANDRIANA) anilan’Ambohipiara, faritanin’i Marovatana, niteraka an-dRABERAHONA.
RABERAHONA nanambady an-dRASALAMA avy ao Ambohibololona niteraka 6 enina mianadahy dia:
1 - RABODOFIRINGA;
2 – RAINITSIRANGA;
3 – RAINITARO;
4 – RAZAFINKOVA; na RENIZANAKA;
5 – RALOHA;
6 – RAFARALAHIMAHALA na RAINVAOHITA.
NOTA III.
1 – RABODOFIRINGA niteraka an-dRAINIMIADANARY izay niteraka:
a – RAMANAMIZAO, rain-dRABEARISOA;
b – RAMIADANARY;
d – RABEMANGA;
e – RAOSERA;
f – RAZAFIMBAHOAKA;
g – RASOARY niteraka an-dRAZANADRATOMPO;
h – RAVAO niteraka an-dRAMALA.
2 – RAINITSIRANGA niteraka an’i TSIRANGA na RAINIMAROTATANA tao Ambihitrantenaina.
3 – RAINITARO niteraka an-dRAMENA (nakamban-damba amin-dRANDRIANADAORO mivady ) laharana fahatelo, eo afovoany no misy azy, farafara atsinana ambony.
4 – RAZAFINKOVA na NENIBEZAFY niteraka 6 enina mianadahy voalaza ao amin’ny
NOTA II
5 – RALOHA niteraka an-dRAINITSIATOSIKA ao Ambohitrantenina.
6 – RAFARALAHIMAHALANA na RAINIVAOHITA, niteraka an-dRAVAOHITA ao Antenimbe izay niteraka an-dRAZAFINDRATSIRA mianadahy avy (rafozan’i RAHELIJAO Samson, zanak’i RABODORAIVO sy RAJAOMANERA ao Andranonanahary) sy RAINIZAFINDRAHONA ao Ankazotsipihana
FANAZAVANA FAHA – 3 :
. Teny fanazavana sy fanondroana momba an-dRAINIBEHANTA na RAKOTONIRINA ao Miadampaonina izay niterka 3 telo mianadahy voalaza ary aloha.
Rehefa mankaty amin-dRAZAFIMBOHANGY reniny RATSIAZOMPANIRY vadin-dRAINIBEHANTA, ary nanangana ny vadiny sy RAINIMAVO KOTOMAINTY zanakanabaviny, ny haren-dRATSIAZOMPANIRY dia tsy nitondra azy fa napetrany tamin-dRAIBEHANTA ihany ho an’izy 3 telo mirahalahy.
FANAMPINY FAHA- 2:
. RABODOSAKALAVA vadin’Igahy ZAFIMIAHY dia zanak’i RATSIAVALONA vadin’INGAHIDASY dia nampirafy an-dRATSIAVALONA sy RAZAKA.
RABODOSAKALAVA sy RAMIAKO no zanak’i RATSIVALONA.
INGAHIDASY tamin-dRAZAKA vadiny rafin-dRATSIAVALONA dia niteraka an’ireto:
1 – RAINISOANARABO (nanambady an-dRALANDY);
2 - RAMIALY (renin’i Rev.Maurice RASAMUEL mianadahy avy);
3 – RATOANDRO vadin-dRAINIMAVO tany Manalalondo;
4 – RAINIVONIARY;
5 – RAMAHAVERINALY
6 – RADANIELA;
7 - RALIZAH.
FANAZAVANA FAHA -4:
1 – RAINISOANARABO niteraka
a – Ingahibe MANDANIARIVO
b – RABENJA vadin-dRAGITA;
d – PETERA;
e –RAKOTOVAZAHA;
f – RAZANAMANGA;
g – RAZANAMINO (kambana);
h – DAMARISA (rafozan’i Rev. Etienne RAKOTOARISAONA ;
i – RAZAY ;
j – RASOAMAVO.
2 –RAMIALY vadin-dRANIASY niteraka :
a – RASOARAY;
b – RATOMPOZANAKA;
d – RAZAHAY;
e – RASAMUEL Maurice ;
f – RAJOELINA-RAMINOSOA ;
g – RATOMPOALY ;.
3 – RAINIVONIARY nanambady an-dRANGORY niteraka an-d:
a - RATAVY (renin-dRAKOTOVAO sy RAZAFINDRASOA).
4 – RAMAHAVERINALY nanambady an-drainimanilo6tsimisata niterka:
a – RALINERA;
b – RASOAMIHAKO;
d – DANIEL;
e – RABOZIVAO;
f – RAOSERA;
g –RAHASINERA;
h – RAVONIMBOLA.
5 – RADANIELA na Ingahy DANY nanambady an-dRASITERA, niteraka an-d
a - RAHELY vadin-dRAZAKANERA (milevina ao amin’ny tokontanim-piangonana Ramainandro).
6 – RALIZAHO nanambady an-dRAINITOMPOLOMANGA tao Tsiafakamboa, niteraka:
a - RAJOSEFA;
b - RAOSERA;
c - RAHASIMBOLA;
d - RAJONAH;
e - RAFARALAHIBIBY ;
(*) – Tsy voalaza ny momba an-dRATOANDRO vadin-dRAINIMAVO tany Manalalondo, teto.
FANAZAVANA FAHA – 5:
. Ingahy ANDRIANJAZA milevina ao atsimon’Antafofo nampirafy an-dRABETAVA sy RAZAFIMBOAHANGY.
Ny zanak’Ingahy ANDRIANJAZA tamin’dRABETAVA dia:
a – RAZAKA
b1 – RATSIMANOMPOHOVA
b2 - RANTOANDRO
d – RINIMALALA izay nanambady an-dRENILANDY niterka an-dRALANDY vadin-dRAINISOANARAKO tao Ambondrona.
e - RAINIKOTOVAONANDRAVINA nanambady an-dRATOANDRO niteraka an-dRASOAHANTA vadin-dRAINITSARAIBE-MANARANTSOA rain-dRAINIZANAMARY, RABARY, RABETORAKA, JAONA MAMALY, RASOAVONINDRIAKA.
f – RAINIMAHARAVO niterak an-dRAMAHARAVO
g – RANTOANDRO niteraka an-d:
g1 - RAMIARIJAONA izay niteraka an-d
g2 - RAINISOAMANAMBELO sy
g3 - RAINISOANDRIANIAINA.
g4 -RAINISOAMANAMBELO nanambady an-dRABODO niterka an’i
ga - Rev.RANDRIAMANDAHATRA,
gb - RASOAMANAMBELO,
gd - RANDRIAMANJAY.
h –RANDRIAMANITRARIVO (lahimatoa).
-------------xxxxx-----------
AVY AMIN-DRASOANAVONY, VADIN-dRAJAONA
Renin-dRAJARISON mianadahy avy.
.Ingahy RASAKA tao Ambohitraivo niterka an-d:
- RANDRIANJANAKA;
- RAFARALAHY HALY;
- RASOAHITA;
- RASOAVINANGY;
- RAMAITSO.
. RASOAHITA voalaza eo ambony, nanambady an-dRANITSITOHAINA tao Antenimbe niteraka an-d:
- RAINIBARY;
- RAVOLO sy RANDRIAMAHERY;
- RAINIMANGA;
- FARALAHY FOTSY;
- RASALAMA LEHIBE.
- RASALAMA LEHIBE niterka ny vadin-dRAINISOANANGALY sy RAVAOZENY.
- RASOAVINANGY niteraka an-dRATANDINDONA na RASOANARIVO tao FENOARIVO. Nidina tao Ambohitraivo RASOAVINANGY, dia nanambady an-dRAINIASY avy ao Morarano Avaratra dia niteraka an-dRASOAVELO sy RATOMPO (vadin-dRAINIMBALY tao Andranonanahary izay tsy niteraka)
- RASOAVELO niteraka an-d:
- RALAIVOLA;
- RAZAFINDRASOA;
- RAJAONASY;
- RABENIAZY na RANDRIANARIJAONA.
. RAMAITSO zandrin-dRASOAVINANGY nampirafesan-dRAINIASY izay niavian-dRAJONAH RAINITSARA TAO Ambohitraivo.
.RAHASY na RAINIARIVO zandrin-dRAINIASY nampanambadiany an-dRASOANARIVO sady natsangan-dRAINIASY izy mivady.
Io RASOANARIVO mivady io niterka an-d:
- RAINIZAFINIMANANA na RARIVO;
- RASOANAVONY (renin-dRAJARISON mianadahy avy);
- RAINIZANAHOERA;
- RAINIZANAMANANA;
- RAHAJAMANANA (renin’i Rev.ELIE-JEAN mianadahy avy);
- RABE (marijina);
- RASOANANDRIANINA (renin-dRAJAONARIVO).;
.RAINIZAFINIMANANA nanambady an-dRATOMPO, tsy niteraka taminy ka nanangana an-dRAZAFINIMANANA sy RASOANANDRIANINA.
FANAZAVANA FAHA – 6:
.RABODOFOTSY anabavin-RAFARALAHILEMANGA niteraka an-d:
- RAINIASY;
- RAINIZAKA;
- RAZONIA;
- RAINIARIVO na RAHASY.
.RAFARALAHILEMANGA nanambady an-dRASOANIRINA (Ingahy VALATELO no niteraka an-dRAFARALAHILEMANGA sy RABODOFOTSY).
Ireto no naterak’i RAFARALAHILEMANGA sy RASOANIRINA:
1 – RAVAO izay nanambady an-dRAINIARIVOKELIFEO niteraka an-dRAISOANANDRIANINA sy ny namany;
2 – RAINISOANANGANO rain-dRABEFANIRAKA;
3 – RAININGORIHOVA rain-dRAZANABAHOAKA mianadahy avy;
4 – TSIDISO;
5 – RENIMANITRA renin-dRAZAKANERA mianadahy avy;
6 – RAMIARANA;
7 – RAMIADANA;
8 – RAINIJAONARY BETOANDRO.
. RAINIASY nanambady an-dRASOAVINANGY sy RAMAITSO, izay nirafy tamin-dRAMIALY tao aoriana (izay voalaza ao amin’ny FANAZAVANA FAHA- 4 ny zananay)
.RAINIZANAKA rahalahan-dRAINIASY nanambady ny rahavavin-dRASOABE, dia niteraka ireto:
1 – RAMAROZAKA izay nanambady an-dRASOAVELO niteraka an-d:
a – RALAIVOLA mianadahy avy;
2 – RAVAO nanambady an-dRAINIFARIHY ka niteraka an-d:
a – RAMANANERA, vadin-dRAINIZANAMANANA niterAka an-d
- RAJABELINA
- RATOMPONIERA
- RAHARIMANANA
b – RAVONY, vadin-dRALAIVOLA, niteraka an-d:
- Rev.RALISAONA
- RASOAZANANARY renin’iMaria;
d – RAMARIA;
e – RAFARA;
f – RAZAFINIMANANA vadin-dRAJOSEFA n’Ingahy RAJONAH niteraka an’i
- RAZAFINIARIVO
- NAIVO
- MAVO
Taty aoriana, rehefa maty ny vadin-dRAINIZAKA, dia nanambady an-dRASOABE izy ka niteraka an-d:
- RATOMPO ary RATOMPO nanagana an-
dRAZAFINIMANANA
3 – RAZAFIMINAHY nanambady an-dRAINIASIMBOLA tao Ambohipisaka, ka niteraka an-:
a – dRAINIVONIARY
b – dRAINIMIADANA na RAINIZAFINDRASOA
NOTA : I -
. RAKASA avy amin-dRAINIBEHANTA nanambady an-dRAINITSIANDROVA, rain-dRAINITSRABEMAROSANDRATANA ( rain-dRAINITSARA).
. RAINITSARAIBE (RAMAFADRAHONA) nanambady an-dRAHAKO anabavin-dRAINIMANITRA, dia niteraka an-d
- RATSARAIBE
- RAMOHARA
- RAMPANARIVO
- RAMIHANTA
- RASOAMINAHY
- RABESAHA
- RAINIZANABARY (Zanak'i RAHAKO sy RAINIMASONDRANO)
1 – RAINIZANABARY (RAINIBARY) niteraka and-
a - RAOSERA
b - RAJAOMANERA
d - RAJAONIOMARY (Dadasalama
e - RADAMARISA RAIVO
f - RAZAFINIRA
g - RAFARA RAHELY
h - RABARISON ( Rainibelina)
i - RAKOTOARIVO Théophile (zanak’i RAINIZANABARY tamin’i MANDANIARIVO) ( Ambodfiakarana Fraratsiho RAMANDA)
2 - RAMOHARA vadin-dRAZOHARY niterka an-d:
a – RAJAONA Bernard
b – RABEMANANJARA
d - RABEMANANTSOA
e – RAVAOSOA
f – RAVAOMANANA
g – RAVAOARY
3 – RAMPANARIVO niteraka an-d
a – RAJAKOBA
4 – RAMIHANTA niterka an-d
a – RAKOTONDRASIKINA izay niteraka an-d:
- RANDRIAMIHANATA
- RAZAFIMAIHANTA vadin-dRABENOSY
- RAZAFINDRASATA
5 - RASOAMINAHY tsy niteraka.
II - RASOARAY anabavin-dRAINITSARAIBE, zanak’i RAKASA tao Mananety dia nanambady an-dRAINIANJA avy any Manalalondo ary niteraka an-dRAINIBEFAHATRA tao Andohanivarahina sy RAINIJAO tao Manalalondo.
III – RENISOANALY na RASIKINA, nanambady an-dRAINISOANALY tao Andrefan’Andapa niteraka an-d:
1 – RAINITSIMANDRESY NDRENAINA tao Ambohitsivalana izay niteraka an-d:
a – RATOVO TRABONJY
b – RAZAFIMIARANA
d – RAZAFINDRAKASA
e – RAINIZANADRAHONA izay nanambady an-dRAMIHANATA niteraka
- RAKOTONDRASIKINA
IV - RASOATAMBAHY nanambady an-dRAISOANANGANO niteraka an-dRASOANANGANO atao hoe RASOAVOLOLONA, vadin-dRAINIMANATSINJO tao Andranonanahary izay niteraka an-dRAJOELINA mianadahy avy.
Nisaraka tamin-dRAINISOANANGANO i RASOATAMPALY dia nanambady an-dRAINISALAMALAHY tao Ankerana izay niteraka an-d:
1- RASOANANDRIANINA vadin’i Rev.RAJAONARY tao Ambohitrandriamanitra;
2 – RASOANIARY vadin-dRATSIZAFY NITERRAKA an-dRAZAFIADANA mianadahy avy;
3 – RANDIANINA vadin-dRAFILIPO zanak’olom-pirahavavy amin-dRAZEFANIA MANITRERA mianadahy avy.
NOTA II
NY TARANAK’I RAINIZANABARY
(Natolotr’i André RAKOTONDRAMANANA)
RAINIMASONDRANO (RAMAHAFADRAHONA) : Izy no ray niteraka and-RAINIZANABARY (RAINIBARY)
RAINIZANABARY kosa niteraka 7 mianadahy, dia ireto avy araka ny fizokiany sy ny taranany avy:
1. RAOSERA
2. RAJAOMANERA
3. RAJAONIOMARY (Dadasalama)
4. RADAMARISA RAIVO
5. RAZAFINIRA
6. RAFARA RAHELY
7. RABARISON ( Rainibelina)
I- RAOSERA : Izy dia nanambady olona avy etsy Bepibasy avaratr’i Ramainandro, Tetsy Avaratr’Imanga anefa no niorim-ponenana. Dimy mianadahy no zanany;
1. RAMANAMISATA Jaona: Niteraka maro mianadahy izy.Mpitondra fiangonana anglikana tao Tsaramandimby izy.
2. RAZAFINDRAZAY: Niteraka an’I Randriamalala Georges, izay niteraka folo, ary efa manana zafy; EDMOND ( Edy) Tsy manambady, ELISABETH niteraka an’I Katy .Efa manana zafy.
3. MARIE: Manambady an’I RAKOTOARISOA. Niteraka maro mianadahy, ary efa manana zafiafy ihany koa.
4. RABEMANANTSOA(Ingahy Bemana) Tsy manam-bady
5. IKOTOFARA (Tsy manam-bady) Eny Bepibasy no milevina RAOSERA
II-RAJAOMANERA : nanambady andRABODORAIVO, zanak’I RANAIVOMALAKO avy etsy Andranonanahary atsimo. Roa lahy no zanany:
I1- RAHELIJAO Samson nanambady and-RAHELISOA Noêline (NOTA III)
1 - RAHELIJAO Solomampinadra 1947 - 2003 sy RAZAFINDRAMIADANA Bakoly RAHELIJAO Mimy 1970
RAHELIJAO Mbolatahina 1972
RAHELIJAO Andritahina 1974 sy RANDRIANASOLO Rondro
RAHELIJAO Safidy Mahatsangy 2001
RAHELIJAO Tahiry Maharanty 2005
RAHELIJAO Mahasambatra 2009
2 - ANDRIAMANDRANTO Daniel 1954 sy RAFAMATANANTSOA Andrianina NORO ANDRIAMANDRANTO Helijao Liantsoa 1991
ANDRIAMANDRANTO Noro Iangotiana 1994
3 - RAHELIJAO Bodonirina Verohanitra Lydie 1956
RAKOTOARINELINA Nombana 1984
RAKOTOARINELINA Hasina 1986
RAKOTOARINELINA Fafah 1992
4 - ANDRIANARIVO Rahlijao Théodore (RIVO), 1958 - MOI -
ANDRIANARIVO Jessie 1992
ANDRIANARIVO Julie 1998
5 - RAHELIJAO Hajamalala Lantosoa 1960
RAKOTONDRAINIBE Ny Aina 1982
RAKOTONDRAINIBE Ny Haja 1983
RAKOTONDRAINIBE Ny Hery 1985
RAKOTONDRAINIBE Ny avo 1996
6 - RAHELIJAO Lovasoa 1962
RADOERIMANANA Benjatahina 1991
RADOERIMANANA Tojotahina 1992
RADOERIMANANA Lovatiana 1995
RADOERIMANANA Fenotahina 1999
7 -RAHELIJAO Haingomalala Holisoa 1964 - 2005
RADAFIARMANANA Mirindra 1994
RADAFIARMANANA Harinjara 1996
8 - ANDRIANIFAHARANA Jaofetra 1966
RAJAOARIFETRA Miora Sandra 1992
RAJAOARIFETRA Manitra Sandrine 1993
RAJAOARIFETRA Mirana Cendrillon 1996
I2 - RANDRIANARISON Michel: Manambady an-dRAVAONIARIVO Justine, zanaky Ramanitra avy atsy Manjakatompo. Niteraka ireto:
1 - RAZAFIMAMONJY Noeline: Niteraka an’ i
Olivia
Tota
Laza
Lydie
2 - ANDRIANANTENAINJANAHARY Roger Justin, Izay manambady ary niteraka 5 mianadahy.
3 - RASENDRASOA Jacobine. nanambady an’ i Henri Clovis RAMILIAROSN, olona avy any Ambatofotsy; ary miaramila any Antsirabe ary niteraka 3 mianadahy izy ireo. Efa manana zafy;
4 - RANDRIANARISOA Jean Paul (maty tanora tamin’ny 1979)
5 - BODO : manamabady ary efa manana zafy
6 - SOLOLALA: manambady ary niteraka zanaka lahy tokana
7- FANJA: manambady ary niteraka telo mianadahy
III-RAJAONIMARY (Dada Salama) Nanambady andRAZANAMPAMONJY Rahely, zanaky RAINIMIADANA sy RAZOARY avy eny Soamanana.
Ireto manaraka ireto no zanaka aman-jafiny:
III-a RAZAFIMAHEFA:Nanambady an-dRasoafenomanana zanaky RATSARAIBE avy etsy Ambohidava. Ireo no ray aman-dreniko; ka ireto avy no zanany:
1 - RAKOTONDRAMANANA André 1949: manambady an’I RANOROHARINIRINA Aimée Valisoa, zanak’olona avy eny Antanetilava eo ambony andrefan’I Ramainandro , zanak’I Rabefiraisana Petera sy Rasoambolanoro Eléonore.Ka ireto avy no zanak’izy ireo, azraka ny fizokiany :
RAKOTONDRAMANANA Andry Valisoa (1980)
RAKOTONDRAMANANA Rindra Valisoa ( 1982) Efa manambady ary manana zanaka iray
RAKOTONDRAMANANA Romy Valisoa (1985)
RAKOTONDRAMANANA Noreh Andréa Valisoa (1987)
RAKOTONDRAMANANA SITRAKA Adrienne Valisoa ( 1991)2 -
1 - RAKOTONDRAMIADANA Gilbert (1953) Manambady an’I Siza zanak’olona avy etsy Antanifotsy. Niteraka telo mianadahy.
2 - RANDRIAMAMORY René Barson. Tsy manambady.
3 - RANDRIAMAHEFARISOA Jérémie. Manambady ary niteraka maro mianadahy. Mipetraka any Ambatondrazaka
4 - ANDRIANARISOA Rafalimanana. Manambady ary niteraka maro
5 - RANDRIANANJA Edmond : Manambady an’I LALAO Niteraka 3 mianadahy
6 - RASOLOMANANA Christine: Nanambady an’ I Noel avy etsy Morarano, nefa nisaraka(tsy vita divorce)dia nanambady olona any Antsirabe. Niteraka maro koa
7 - RAKOTONDRAFARA : Tsy manambady.
III-b RAFIMAMONJY Myriam: Tsy manambady fa niteraka vavy tokana:
1 - Hélène, izay manambady an’I Georges zafikelin’I RAOSERA(ery ambony). Niteraka 10 mianadahy, ary afa manana zafikely koa
III-d RAVAONARIVO: Izy dia nanambady an-dRaphael , zanaky ny rahavavin-dRasoafenomanana vavimatoa, saingy nisara-belona ireo ka lasa nanambady tany Ampary, kinanjo maty tany ary milevina any amin’ny vadiny; Niteraka an’I
1 - Berthe,
2 - Maurice,
3 - Patrice,
4 - Jules . Ity farany dia notezain’I Dadabe Salama teto Andranonanahary.Efa manana zafiafy koa izy.
III-e RAKOTOMAHEFA:Nanambady an’I RASOAMANANA Elise, Zanak’olona avy etsy Morarano. Niteraka an’i SETA Lehiben’ny Fokotany, izay nitearaka maro ; I Denis, i Justin Lolona, sy ny maro hafa
III-f RASOAZANANAHARY Marthe: Tsy manambady fa niteraka vavy tokana , dia I MarcelineIty farany dia nanambady an’I Denis zanaky ny Veterinaire tery Ramainandro saingy nisaraka koa ireo, nefa nanana zanaka vavy tokana.
IV-RADAMARISA Raivo Maty vady tanora, niteraka lahy tokana dia
1 - RANDRIANARISON Joseph. Nanambady an’I RAZANAMANAMPY: zanak’olona avy eny Mahatsinjo avaratr’I Ramanaindro izy. Maro no zanany ary efa manana zafiafy koa.
V-RAZAFINIRA:(Nenizafy) Izy dia nanambady an’I RABETOANDRO miaramila tamin’ny ady lehibe ary tafody an-tanindrazana ihany rehefa vita ny ady; nandray pension izy nefa moa tamin’izany dia tena zara raha misy horaisina. Mianadahy ihany no zanany, dia
1 - RANDRIANASOLO Josoa: nanambady an’I Marguerite (Ramary), zanaky Rambeloson avy eny Soamanana. Izy ireo dia niteraka maro dia maro, ary efa manana zafiafy. Misy Kambana ny zanany. (Asa na izay angamba no nahatonga ny anaran’ity tanana honenan’izy ireo hoe Antanetikambana Ny zanany vavy moa dia
Rahariminonjanahary Marie Madeleine( Mada). Izy indray dia manambady an’I RAMBAROSETRINIMANANA na Ingahy Dada.Eny Andapa no miorim-ponenana ireo ary niteraka maro koa, ary niteraka kambana. Efa manana zafiafy .
VI-RAFARA RAHELY(Rafara) nanambady miaramila ary toa maty an’ady) Teo Ramainandro no nonenany. Ireto avy no zany:
VI-a RAZANADRASOA Angèle nanambady an’I RANDRIANASOLO (presbytère anglikana).
VI-b BENJA niteraka maro .
VII-d VOAJANAHARY Alexandre: Monina eo Ramaninandro maman-janaka maro
VIII-e VAO: izay kilemaina
VII-RABARISON ( RAINIBELINA ) Ity anarana anaty fonon-teny no fiantson’ny olona azy. Izy indray dia manambady andRAZANADRASOA Marie Modestine, zanaky RAMAROKOTO Daniel, avy any Ambohijanaka sy RAZAFINDRASOA avy eny Bemasoandro-Tsinjoarivo. Ramatoa moa dia zaza notinaiza sy natsanagandRadaniela ray amandreny niaraka tamin’ny misionera tamin’ny taonjato faha 19, ary lasa Governora tany Tsinjoarivon’ Ambatolampy taty aoriana. Fa teto Andranonanahary no nonenany taty aoriana. Ireto avy no zanany:
VII-a RAZANABARY Marie Jeannette, Mambady andRAKOTONIAINA Pierre Joseph.
Ireto avy no zanak’izy mivady;
RAKOTONIAINA Edy Olivier (1960) Niteraka 3 vavy
RAKOTONIAINA Lantoniaina Hanitra ; Manambady an’I LOULOU ary misa sy monina any Lyon ( France)
RAKOTONIAINA Mamy Harison. Niteraka roa vavy saingy izy mivady dia niharan-doza tamin’ny lalam-pirenena mankany Mahajanga ka maty tamin’izany
RAKOTONIAINA Sahondra Nirina manambady miaramila
RAKOTONIAINA Hery Lalaina. nanambady ary niteraka 3 mianadahy.
VIII-b RABARISON Dauphin. Nanambady and-Ramatoa Julienne, avy any Manjakandriana.
Niteraka izy 3 mianadahy manaraka ireto Oly, Titie, Fidy; ary efa manan-jafy koa. Dauphin moa dia efa nodimandry. Ao Andraisoro izy ireo no mipetraka.
VIII-d RAZANABELINA Marie Georgette :Manambady ,ary niteraka roa vavy. Any Mahajanga no mipetraka.
VIII-e RABARISON Paul André :Manambady an-dRamatoa Monique Niteraka an’i Hérvé sy …
NOTA
RABARISON dia nakarin’ny vintany tokoa, ka fony fahazazany hono izy, rehefa nahita ny hamafin’ny fiainan’ny tantsaha dia nanapa-kevitra fa hianatra mafy. Dia nalefan’ny ray aman-dreniny nianatra tany Antananarivo izy sy ny zanak’anabaviny, dia RANDRIANARISON Joseph izay nahazo ny anaram-bositra hoe RAINISEFA. RAHELIJAO Samson zanadrahalahany lahimatoa, RAJAOMANERA
Isaky ny fialan-tsasatra izy ireo vao mody aty ambanivohitra fa dia tena nianatra tokoa,. Rehefa lany moa ny vatsy dia ny rahalahiny no manatitra vatsy ho azy ireo. Ka ny lalana avy aty Andranonanahary mankaty Antananarivo dia naleha an-tongotra, miaraka amin’ny vatsy. Teo am-pandehanan-tongotra, avy niala sasatra (vakansy) izy rehetra, andeha hianatra any Antananarivo no nijanona tao amin’ny anadahan-dreniny (ROBINSON Jérome tompon’ity TETI-ARANA ity) i RASAMY (Rahelijao Samson). Nanao Sekreteram-pajakana tao Manalalondo ity farany noho ny naha-RAGAOVA ny anadahan-dreniny tao an-toerana. Tao no nahitany ny vadiny RAHELISOA Noëline voalaza ery amin’ny NOTA III.
Rehefa nahazo ny CESD izy ireo dia mora taminy ny nahita asa. RABARISON moa dia nahita asa tao amin’ny Lalam-by, izay notantanan’ny Frantsay tamin’izany fotoana izany. Efa nalefa niasa tany amin’ny garan’Anivorano izy, sy tao Antananarivo Soarano. Tamin’ny taona 1957 dia nafindra niasa tany Toamasina indray, ary tao no niasany mandram-pahatongan’ny fisotroan-drononony, tamin’ny taona 1965. Tena nanana fitiavan-kavana tokoa izy mivady, noho ny nahitany ny fahantran’ireo havany tany ambanivohitra; ka ny hany nataony dia naka ireny zana-kavany ireny mba hotezaina sy ho beazina.
Izany koa no nitaizany ny zana-drahavavin-dramatoa iray izay nantsoina hoe RAZANAJATOVO Jeanne. Izy mivady ireo koa no nitaiza an’i André RAKOTONDRAMANANA izay nentiny taty Toamasina hatramin’ny taona 1958 ka mandram-pahatongan’ny fisotroan-dronono voalaza teo.
RAINISEFA kosa dia nifidy ny hampianatra ka taty an-tanidrazana ihany no safidiny. Ny finoana anglikana no nampiasa azy. Nahatody hatramin’ny fisotroan-dronono izy na dia be aza ny fanenjehana nataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatra azy noho izy diso tia ny manjono loatra. Matetika hono no manome dika soratra sy kay ho an’I mpianatra izy eo amin’ny solaitra be, vitany izay dia iny izy no lasa mivoaka sy milanja haranjono maromaro ka mankany amoron-drano.
Izy koa moa dia olona tsy mba mahay miteny moramora; angamba noho ny izy zatra niresaka mafy tay am-pianarana. Tsy mba hainy ny mibitsibitsika, na hibitsibitsiana, fa ny lavitra foana no mahare taloha hoy ny fitenenana.
FEHINY
Raha zohina loharano nipoiran’ny izany hoe taranaka RAIZANABARY dia hatramin’ny nanomezan-dRadama I, ny zara-tany nonenany eo andrefan’Ankaratra ho an’ny ZANAKANTITRA dia tena mankamamy ny fihavanana izy ireo, ary koa olona lalin-tsaina, ary nahitana foana olona nitondra teo fitondrana nifanesy teto amin’ny firenena MALAGASY, ary tsy ho voatanisako eto avy izy ireo. Hatramin’izao dia hita manerana ny Nosy ny taranany, eny fa hatrany ampitan-dranomasina rehetra any.
Ny zavatra tena mahalasa eritreritra mafy amin’izao fotoana izao dia ny tsy ahitana, sy ny tsy fahafantaran’ireo solofo dimbin’ny ala intsony ny Tanindrazany. Zary tanana haolo ny Tanidrazana, tsy maha-te honina intsony. Ilay famoloana va nafindra toerana sa voatototra? Eo ihany izy fa voatoto-bozaka, hanirian’ny lobolobo. Ilay trano tetsy sy teroa tsy eo intsony fa dongon-tany sisa tavela. “Nankaiza ny olon-tety ?” hoy ny hira. Amin’ny fianakaviana zato dia tsy misy roa mba tonga mamangy ny tanindrazany. Rehefa tonga anefa ny fotoana tsy mahamety izay tsy maintsy lalovan’ny miaina dia indreny fa tonga manatitra ny taolam-balo izay tsy nahita na nahalala akory ilay tanindrazany fony fahavelony, fa ratsy amin’ny Malagasy izany very taolam-balo izany.
Ny hany faniriako dia mba hivondronan’irenotaranaka sy zanaka am-pielezana rehetra mba hanasoa ny tanindrazany, ka hanao zavatra mafy orina ho tsangam-bato velona ary ho lova sy modely ho an’ny taranaka any aoriana mba tsy hanadino io Tanindrazana io. Inona no tiako lazaina amin’izany: Hanaovana trano lehibe iray hatao famantanan’ireny zanaka am-pielezana ireny. Hanaovana toeram-pitsaboana manakaikaiky kokoa ny mponina. Hanaovana rano fisotro madio. Hisy kokoa ny fifankazahoana am-po sy hampikombona ny hantsana eo amin’ny fiheverana ho mpanana sy malahelo, ny madio lamba sy ny maloto. Ary ho tonga aty ambanivohitra foana ireny zanaka am-pielezana ireny.
HAMPITAPITAO RY TARANAK’ANDRANONANAHARY NY ZAVATRA METY HAHASOA ANTSIKA.
----------------xxxxx --------------
----------------xxxxx --------------
NY TERAK’I RAINIBEHORAISINA SY RAZANAKA
I – Niteraka 5 dimy mianadahy izy dia:
1 – RABEHORAISINA izay tsy niteraka, nefa nanangana ireo iray tampoho aminy sy RAJONAH zana-dRASOAFANIRY vadiny.
2 –RASENDRANORO niteraka an-d:
a - Rev. Joël RABESANDRATANA
RABESANDRATANA Laure (Vadin’I Dokotra RAVOAHANGY ANDRIANAVOLONA)
RABESANDRATANA Blaise
RABESANDRATANA Basile
b - Jérome ROBINSON
ROBINSON Jéremie
ROBINSON Jeaninine
ROBINSON Bija
ROBINSON Jacobine
ROBINSON Seth
ROBINSON Elisabeth
d –RANDAMINA
e - RAZAFINDRAZANAKA Rabodoraivo nananbady an-dRAJAOMANERA (NOTA I . III)
RAHELIJAO SAMSON (MOI)
RANDRIANARISON Michel
f - ELIZA EMELINE
g - RASOAZANANORO
h - BOZY BE
i – RASOANJIVANORO Jeanne niteraka 10 mianadahy
j - Alban RAMANOKORAISINA
RAMANOKORAISINA Emilien
RAMANOKORAISINA Michel
RAMANOKORAISINA Noro
RAMANOKORAISINA Voahangy
RAMANOKORAISINA Nanah
k - RAMAROSANDRATANA
3 – RAMANANKISANA niteraka an’i
a – JOSEPHINE
b – Elezara RAMANATSANDRATANA
d – SOLO
e – RIVO
f – HELDINE
g – BONARD (Ramainandro)
h – CYPRIEN
i – SUZANNE
j – EZFANIA
4 – RANGITA niteraka an-dRABENJA MARC, maty tsy nanambady.
5 – RAKOTO JAFETRA tsy niteraka anefa nanangana ireo zanakanabaviny.
(*) RAINIBEHORAISINA sy RABEHORAISINA ary RAKOTO JAFETRA zanany dia milevina ao Raminandro (fasana ambonin’ny Tranovato) – miray fonosana ary mipetraka amin’ny farafara atsimo, amin’ny ambony – izany hoe ambanin’ny farafara misy an’Igahy RAJAONA rain-dRAJARISON – araka ny famonosan-damba natao tamin’ny 28 Aogositra 1957. Rev.RAMANANANKASINA sy ny zanany miray lamba aminy ka dia nafindran’ny vady amanjanany eo ambony atsinanana misy ny razambe.
II – Ny fizarana ny farafara amin’ny Fasana ao RAMAINANDRO.
1 – Farafara roa avaratra an’ny Terak’i RAINIMANITRA
2 – Farafara iray atsimo-ambony an’ny terarak’Ingahy RAJAONA
3 - Farafara iray atsimo-ambany an’ny Terak’i RAINIBEHORAISINA;
4 - Farafara iray atsinana-ambony natokana ho an’ireo RAZAMBE afa-tsy Ingahy RAZAFIMINAHY izay ao amin’ny farafara avaratra.
5 – Farafara iray atsinanana-ambany an’ny Terak’i RAINIKOARIVO sy RAMANANKASETRA.
-------------------------------------xxxxxxxx------------------------------------------------
Fanamarihana: Izay vaomarika MENA dia avy dia ny niandohan’i DADABE
Izay voamarika MANGA kosa dia ny niandohan’i NENIBE
Ny maitso dia NY HIFANDRAISANA